1 Corinthians 14

1Mitadiava fitiavana ary manàna zotom-po amin’ireo fanomezam-panahy, indrindra fa ny mba haminanianareo. 2Fa izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy miresaka amin’ny olona fa amin’ Andriamanitra. Fa tsy misy mahazo azy satria miresaka zava-miafina ao amin’ny Fanahy izy. 3Fa izay maminany dia miresaka amin’ny olona mba ho fampiorenana azy ireo, ho fampirisihana azy ireo, ary fampiononana azy ireo. 4Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia manorina ny tenany, fa izay maminany dia manorina ny fiangonana.

5Ankehitriny dia maniry anareo rehetra hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra aho. Fa mbola mihoatra noho izany aza, maniry Aho ny haminanianareo. Izay maminany dia lehibe kokoa noho izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra (raha tsy hoe misy olona iray mandika teny ka mba mety hiorenan’ny fiangonana). 6Fa ankehitriny, ry rahalahy, raha tonga eo aminareo amin’ny fiteny tsy fantatra aho, inona no tombon-tsoa omeko anareo amin’izany? Tsy afaka aho, raha tsy hoe miresaka aminareo amin’ny fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana.

7Raha mamoaka feo ireo zava-maneno tsy manan’aina—tahaka ny sodina na lokanga—ary tsy mamoaka lantom-peo samihafa ireo, ahoana no hahafantaran’ny olona izay melodia avoakan’ny sodina na ny lokanga? 8Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, ahoana no hahafantaran’ny olona rehefa fotoana hiomanana amin’ny ady? 9Ka toy izany ihany koa ny aminareo. Raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, ahoana no hahafantaran’ny olona izay nolazainareo? Hiteny ianareo, ary tsy hisy hahazo anareo.

10Misy fiteny maro samihafa eto amin’izao tontolo izao, ary tsy misy amin’ireny no tsy misy dikany. 11Fa raha tsy mahafantatra ny dikan’ny fiteny iray aho, dia ho vahiny amin’izay miteny, ary izay miteny ho vahiny amiko.

12Tahaka izany ihany koa ny aminareo. Satria maniry fatrara ny fihetsehan’ny Fanahy ianareo, dia manàna zotom-po mba hiroborobo amin’ny fanorenana ny fiangonana. 13Noho izany izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tokony hivavaka mba hafahany mandika teny. 14Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra Aho, dia mivavaka ny fanahiko, fa ny saiko tsy mamoa.

15Inona no tokony ho ataoko? Hivavaka amin’ny Fanahiko aho, fa hivavaka amin’ny saiko ihany koa. Hihira miaraka amin’ny Fanahiko aho, ary hihira miaraka amin’ny saiko ihany koa. 16Raha tsy izany, raha midera an’Andriamanitra miaraka amin’ny Fanahy iananareo, ahoana no hitenenan’ny vahiny hoe “Amena” rehefa manome fisaorana ianao raha toa ka tsy fantany izay lazainao.

17Fa ianao dia tena manome fisaorana tsara ihany, fa ny olon-kafa tsy miorina. 18Misaotra an’Andriamanitra aho fa miteny amin’ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra. 19Saingy any am-piangonana dia aleoko miteny teny dimy araka ny fahazoako mba hafahako mampianatra ireo hafa, toy izay teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra.

20Ry rahalahy, aza mba zaza amin’ny fihevitrareo. Fa kosa, raha amin’ny ratsy, dia manaova tahaka ny zaza. Fa amin’ny fihevitrareo dia aoka ho matotra ianareo. 21Ao amin’ny lalàna dia voasoratra hoe: “Amin’ny alalan’ny olona hafa fiteny sy amin’ny alalan’ny molotry ny vahiny dia hiresaka amin’ireto olona ireto Aho. Na dia tsy handre Ahy aza izy ireo,” hoy ny Tompo.

22Noho izany ireo fiteny tsy fantatra dia famantarana, tsy amin’ireo mpino, fa amin’ireo tsy mpino. Fa ny faminaniana kosa dia ho famantarana, tsy ho an’ireo tsy mpino, fa ho an’ireo mpino. 23Noho izany, raha toa ka, miara-miangona ny fiangonana rehetra ary miteny amin’ny fiteny tsy fantatra avokoa, ary miditra ireo vahiny sy tsy mpino, tsy ho lazain’izy ireo fa adala ve ianareo?

24Fa raha naminany avokoa ianareo rehetra ka nisy tsy mpino na vahiny niditra, dia ho resy lahatra amin’izay rehetra henony izy. Ho tsaraina amin’ny alalan’izay rehetra voalaza izy. 25Ho ambara ny tsiambaratelo ao am-pony. Vokatr’izany, hiankohoka izy ary hitsaoka an’Andriamanitra. Hanambara izy fa tena eo aminareo Andriamanitra.

26Inona izany no manaraka, ry rahalahy? Rehefa tafaray ianareo, ny tsirairay dia manana salamo, fampianarana, fanambarana, fiteny tsy fantatra, na fandikan-teny. Ataovy ny zava-drehetra mba hanorenanareo ny fiangonana. 27Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, avelao hisy roa na farafahabetsany telo eo, ary mandeha tsirairay, avy eo dia tokony hisy anankiray handika ny teny izay voalaza. 28Fa raha tsy misy mpandika teny, avelao ny tsirairay amin’izy ireo hitazona fahanginana ao am-piangonana. Avelao ny tsirairay hiresaka mitokana amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra.

29Avelao hiteny ny mpaminany roa na telo, ary avelao ireo hafa hihaino amin’ny fahaiza-manavaka izay voalaza. 30Fa raha misy fahitana omena izay mipetraka eo amin’ny fanompoana, avelao hangina ilay iray izay niteny.

31Fa ny tsirairay aminareo dia afaka mifandimby maminany mba hafahan’ny tsirairay mianatra ary mba hahery ny rehetra. 32Fa ny fanahin’ireo mpaminany dia eo ambanin’ny fanaraha-mason’ireo mpaminany. 33Fa Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa ny fiadanana. Izany no fitsipika ho an’ireo fiangonan’ireo mpino rehetra.

34Ny vehivavy dia tokony hitazona fahanginana ao am-piangonana. Satria tsy mahazo alalana hiteny izy ireo. Fa kosa, tokony hanaiky izy ireo, tahaka ny ambaran’ny lalàna. 35Raha misy irian’izy ireo hianarana, avelao hanontany ny vadiny any an-trano izy ireo. Fa mahamenatra ho an’ny vehivavy ny miteny ao am-piangonana. 36Avy aminareo ve no niavian’ny tenin’Andriamanitra? Ianareo irery ve no voakasik’izany?

37Raha misy mieritreritra ny tenany ho mpaminany na ara-panahy, dia tokony hanaiky izy fa ireo zavatra izay soratako aminareo dia didin’ny Tompo. 38Fa raha misy tsy manaiky izany, dia aleo izy tsy ho ekena. [Fanamarihana: Ny ankamaroan’ny dikan-teny, ao anatin’izany ny ULB sy UDB, dia mamaky hoe: “Fa raha misy tsy manaiky izany, dia aoka tsy ho ekena izy.” Ny dikan-teny sasany taloha manao hoe: “Fa raha misy tsy mahalala izany, dia aoka izy tsy hahalala izany.”]

39Koa amin’izany, ry rahalahy, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara an’iza na iza hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Fa avelao ny zava-drehetra atao araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana.

40

Copyright information for PltULB